1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;

2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.

3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. 

4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin*'ny tendrombohitra fitohna.[Na: noho]

5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tnany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]

6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.

7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsarna. Raiki-tahotra ny tany ka sina, 

9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany. 

10 Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.

12 Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
